Miara-miombon’antoka ny banky BNI Madagascar sy ny orinasa We Light hanome herinaratra ho an’ny eny ambanivohitra. Tanàna 172 hatreto no efa misitraka ny tetikasa. Mitentina 37,5 miliara Ar (7,5 tapitrisa Euro) ny famatsiam-bola omen’ny BNI hanatanterahana ny tetikasa.
Hetsika tafiditra ao anatin’ny andraikitra sosialin’ny orinasa (RSE) ny BNI Madagascar ho fampandrosoana ny any ifotony sy fitandroana ny tontolo iainana ny tetikasa. « Azo antoka tanteraka ny hetsika ataon’ny We Light amin’ny alalan’ny tohana omen’ny BNI. Taratra ho an’ny famatsiam-bola ny tetikasa goavana hampandrosoana ireo toerana lavitra ny hetsika toy izao », hoy ny tale jeneralin’ny WeLight, Romain de Villeneuve. Notsindriany manokana fa hanampy amin’ny fanatanterahana izany sy hanatsarana ny lafiny sosialy sy toekaren’ny mponina ny fisitrahany herinaratra. Miteraka asa ary mitandro ny tontolo iainana any an-toerana ny fahavononan’ny BNI Madagascar hamatsy vola ny tetikasa. Hetsika tafiditra ao anatin’ny tetikasa ataon’ny Banque européenne d’investissement (BEI), Triodos, Bank, ElectriFI izay tarihin’ny Vondrona eoropeanina (UE)
Vina
Fanamby apetraky ny WeLight, ny taona 2030, ny hisitrahana herinaratra ho an’ny tanàna miisa 500 raha toa ka nanomboka tamina tanàna miisa 5 izany ny taona 2018, niforonan’ny orinasa. Ankehitriny, miisa 172 ireo tanàna nisitraka herinaratra. Mahatratra 75 000 ireo fifandraisana tafapetraka, tafakatra 8 000 kosa ny orinasa madinika niorina izay niteraka asa maharitra 15 000 ho an’ny mponina. Mponina 400 000 no misitraka mivantana ny tetikasa ary
1 tapitrisa ireo hahazo tombony ankolaka amin’ny alalan’ ireo fotodrafitrasa napetraka. « Mifanandrify amin’ny paikady ESG ny hetsika atao hanatsarana ny fiainan’ny mponina sy ho fitandroana ny tontolo iainana ary ho fanomezan-danja ny tanàna iray » raha ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny BNI Madagascar, Alexandre Mey. « Telo taona taorian’ny fahatongavan’ny herinaratra tao Mahambo, niova ny fiainan’ny mponina, maherin’ny 1 000 ireo nisitraka herinaratra. Orinasa madinika miisa 25 nitsangana, nitombo 25 ireo toeram-pivarotana. Miisa 8 ny trano fandraisam-bahiny, maherin’ny 100 ny asa niforona sy nohavaozina. Niakatra 35% ny taham-pahafaham-panadinan’ny mpianatra » hoy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny BNI Madagascar, Rajaonarivelo Herintsalama.
Henintsoa