Mpanakanto afrikanina, mitondra avo ny mozika ankafizin’ny tanora maneran-tany i Tiakola. Sambany hisehatra eto Madagasikara izy, ny 11 jona ho avy izao, etsy amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina. Nampahafantatra ny andinindininy momba ny fandalovan’i Tiakola sy ny seho hotontosainy eto ny NasProd sy ny KP Event, izay mpikarakara, omaly, tetsy amin’ny Orange Digital Center Soarano.
Nambara, nandritra izany, fa fanentanana, fanohanana ary fandrisihana ireo tanora hiroso lalina amin’ny famoronana sy ny soatoavina manodidina izany ny hetsika. Eo ihany koa ny fizarana mozika, fa ny fizarana izay toe-tsaina miabo ho an’ny tanora izay no tena hovoizin’i Tiakola.
Antony iray nahateraka ny tetikasa Horizon Madagascar, izay nampahafantarina omaly ihany koa io. Fandaharanasa izay natao handrisihana ireo tanora hiofana sy hiditra amin’ny seha-pihariana manodidina ny zavakanto sy ny fikarakarana hetsika izany. Ho tetezana iray hiampitan’ireo tanora avy any amin’ny fianarana mankany amin’ny sehatry ny asa, ary avy hatrany dia fianarana asa mivantana.
Hisy, araka izany, ny Masterclass ho an’ireo tanora liana amin’ny asa manodidina ny zavakanto. Fampiharan’ asa avy hatrany ny fampisehoan’i Tiakola aorian’izay. Mbola fanomezana sehatra ireo tanora manan-talenta kosa indray ny ‘Tremplin Horizon Madagascar », ka handray anjara amin’ny tapany voalohany amin’ny seho izay voasafidy. Fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny Orange Madagascar, ny NasProd ary ny KP Event ny tetikasa rehetra.
Zo ny Aina