Voasambotry ny zandary avy amin’ny Brigade territoriale Brickaville, afakomaly, ilay tovolahy nanindrona antsy ka nahafaty ny dadatoany, tany Nierenanana. Fantatra fa vono olona niniana natao ny tsindron’antsy natao teo amin’ny fony ka nahafaty ity lasibatra ity, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny zandary any an-toerana.
Hita faty nihosin-dra teo ambony fandriany ny raim-pianakaviana 58 taona ny talata 13 mey lasa teo, tamin’ny 12 ora atoandro. Nitranga tao amin’ny fokontany Niherenana, disitrikan’i Vatomandry, faritra Atsinanana, 12km miala ny renivohitra Brickaville izany. Lehilahy iray hita faty tao an-tranony, tokony ho tamin’ny 12 ora atoandro. Natoritory atoandro tao an-tranony izy ary niditra tao ity tovolahy, zanaky ny anabaviny izay efa maty. Nitaky ny anjara lovany tamin’ilay raim-pianakaviana ity tovolahy ity. Tsy nanaiky ny hanome izany anefa ilay raim-pianakaviana noho ity tovolahy ity mbola kely. Tezitra ity farany ka nandray antsy ary nanindrona izany tamin’ny fon’ilay rangahy. Naratra mafy ity farany ka nitarika azy tamin’ny fahafatesany. Nanaitra ny vadiny tany an’efitra ilany ny antso vonjy sy ny kiaka mafy nataony tamin’io fotoana io. Tonga nijery ity farany ity haingana ilay renim-pianakaviana kanjo ny vadiny efa nihoson-dra teo am-pandriana no hitany. Nihosin-dra ny fandriana, afaka tanteraka ny fon’ity lasibatra ity, raha ny fahitana ny razana. Tonga nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny zandarimaria avy ao amin’ny Brigade territoriale Brickaville.
Mino