Nitondra fanazavana amin’ny filankevitry ny minisitra tanterahana any amin’ny faritra ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), Mara Volamiranty Donna. Nambarany fa zava-dehibe ny fanaovana izany.
«Mihaino ny hetahetan’ny vahoaka eny ifotony ny fitondram-panjakana ary vonona ny hifampiresaka amin’ny sehatra rehetra», hoy ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna. Nanteriny, tamin’izany, fa hijery ifotony ireo sehatra rehetra afaka ampandrosoina any an-toerana, tahaka izao tanterahan’ny fitondram-panjakana, tarihin’ny filohan’ny Repoblika any Toliara izao, amin’ny alalan’ny filankevitry ny minisitra.
Notsindriny, tamin’izany, fa anisan’ny voakasika amin’izao filankevitry ny minisitra izao ny momba ny tetikasa Base Toliary. Tafiditra amin’ny fampiharana ny vinan’ny Filoham-pirenena ho amin’ny fampiroboroboana ny maha olona. Nambarany fa anisan’ny hojerena ao anatin’izany ny lafiny ara-tsosialy, eo koa ny lafiny ara-toekarena ary ireo sehatrasa rehetra tafiditra amin’ny tetikasa. “Mihaino ny vahoaka rehetra eny ifotony ny fitondram-panjakana ary hanao ny azony hatao ho fanatsarana ny tetikasa manaraka ny toetrandro”, hoy ihany izy.
Fampiroboroboana ny maha olona
Etsy andaniny, anisan’ny anton-dian’ny minisitra manokana amin’izao fitsidihana sy ny filankevitry ny minisitra any an-toerana izao ny fihainoana ny hetahetan’ireo mpiara-miasa ao amin’ny fitaleavam-paritry ny minisitera any Atsimo Andrefana.
Nisy ihany koa ny toromarika arakasa nomeny mivantana azy ireo mba ho fanatsarana ny tolotra ho an’ny olom-pirenena, manaraka ny haino aman-jerim-panjakana. “Tafiditra ao anatin’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, koa izany mba ho fampiroboroboana ny maha olona”, hoy ihany izy.
Synèse R.