Toy ny vara-datsaka ny vaovao nilatsaka teto an-dRenivohitra, omaly. Voalaza fa ny renibeny sy ny rahalahin-drainy ihany hoe no namono ilay zazavavikely, vao 8 taona tetsy Antohomadinika IVO. Tsy vitan’izay fa mbola niampy hoe: “Natao sorona”! Loza tsy roa aman-tany. Indroa nahita ny mangidy ilay zaza novonoina. Nolazain’ny velona fa valifaty dia miampy sorona indray.
Mila manamafy ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana fa tsy tokony tsy hihanona fotsiny amin’izay vokatra efa azon’izy ireo hatreto. Tsy ampy ny fampidirana vonjimaika am-ponja olona roa aman’efatra. Iaraha-mahalala rahateo fa toerana tena renivohitry ny zava-mahadomelina, toy ny rongony sy ny “rôrô” rahateo izany fokontany IVO izany.
Tsy vakin’ny mpitandro filaminana moramora izany tanàna izany. Tambajotra matanjaka sy miray hina be ny mponina ao an-toerana, indrindra ny mpivarotra “môly”. Efa misy feo miely aza eny an-toerana mahakasika ilay fianakavian’ny maty. Mipetraka ny fanontaniana: valifaty mahakasika ny inona no mahatonga ny famonoana zaza tsy manan-tsiny? Moa tsy toy ny fomba fiainan’ireo “Mafia” any an-dafindriaka ireny?
Marary tokoa ho an’ny olona valiana faty ny maty zanaka izany noho ny valifaty mihantra amin’ny tena. Ka inona izany no ambadik’ity voalaza fa antony iray namonoana an’i Raissa ity? Sanatrian’ny vava ve ka misy aferaferam-pianakaviana sadasada ihany koa ambadik’izao? Ny fanadihadiana lalina ataon’ny polisy no hamaritra izany.
Tsy tokony mbola hijanona hatreo amin’ilay fampiakarana ny fampanoavana, omaly, iny ny fanadihadiana. Mila mandeha lavidavitra ny famotorana mba hahalalan’ny mpanara-baovao ny tena marina. Mainka hampihorohoro sy hamparary saina ny ray aman-dreny sy ny ankizy ny zava-misy raha mihanona amin’ny sorona sy valifaty tsy voamarina ny polisy.
Samy miandry izay fivoaran’ny toe-draharaha ny rehetra fa hatreto aloha dia ry mpamosavy malemy no tra-tehaka.
r.r