Nolanian’ny solombavambahoaka tamin’ny fivoriambe, omaly, rehefa nasiam-panitsiana sy nasiam-panovana ny tolo-dalàna mifehy ny halatra omby. Nanolotra izany ny solombavambahoaka voafidy ao Antsohihy, Befeno Hyacinthe Todimanana.
Natao izao tolo-dalàna izao noho ny tsy fandriampahalemana ateraky ny halatra omby, manerana ny Nosy. Nambaran’ireo depiote, voamarika fa maro ireo mpangalatra omby tsy voatazona any am-ponja noho ny antony maro samihafa. “Miteraka horohoro ho an’ny vahoaka ny tranga tahaka izany. Koa anisan’ny fanovana natolotra amin’izao tolo-dalàna izao ny fametrahana sazy mahery vaika kokoa ho an’ny mpangalatra omby”, hoy izy ireo. Anisan’izany ny fanagadrana mandra-pahafaty. Noresahina ihany koa ny sazy ho an’ny mpiray tsikombakomba amin’ny mpangalatra mba hiadiana amin’ireo tambajotra mamoaka ireo dahalo any am-ponja. Nanamafy ireo solombavambahoaka nandritra ny ady hevitra fa ilaina ihany koa ny hametrahana sy hanamafisana ny dina eny amin’ny tontolo ambanivohitra.
Synèse R.