« Zoma finaritra », sehatra misokatra ho an’ireo mpanao Slam, etsy amin’ny IKM Antsahavola. « Maty ve ny slam» ? Mba fanontaniana hapetraka ihany, ka samy mitondra ny valiny, izay efa fantatra mialoha, ireo ho avy amin’io fotoana ny zoma 16 mey io. Iarahana amin’ny Slam Poetry of Tanà ity fihaonana ity, izay efa mahazatra ao amin’ity ivokolo ity.
Misokatra ny fanohanana ho an’ny famoronana zavakanto, na “Bourse à la création 2025”, ao amin’ny AFT Andavamamba. Natao ho ana mpanakanto na vondrona mpanakanto, izay efa manana tetikasa mazava izany. Hampiana amin’ny fanoratana hatramin’ny fanatontosana ny tetikasa izay voafidy amin’izany
Hotontosaina ny sabotsy 17 mey ny lanonana hanakatonana ny “Festival Game Load”, ao amin’ny IFM Analakely. Ho fantatra mandritra izany izay tetikasa tsara indrindra amin’ny “jeux vidéo” nifaninana, sy ny “Game Gasy Award”, izay lalao mendrika indrindra nandritra ny taona.
Hisy ny fahatsiarovana an’i Abel Ratsimba. Hotontosaina ny alahady 12 jona izao izany, eny amin’ny Espace Nambinintsoa Talatamaty. Hamerina sy hamelona indray ireo sanganasan’ity andrarezina ity ireo namany, niara-nanao mozika taminy fahavelony. Sakaiza namelan-kafatr’i Abel Ratsimba rahateo no anarana isaloran’izy ireo.