Vaovao tambatra

Dinihina ny fahafaha-manokatra zotra mivantana eo amin’i Madagasikara sy Sri Lanka. Vavahady hidirana amina firenena maro any Azia i Sri Lanka sady foiben’ny fivezivezena iraisam-pirenena. Hojerena ao anatin’ny fiaraha-miasa ny tombony ara-toekarena sy ny fifanarahana « code share » hanatsarana ny fitohizan’ny sidina.
Nihena 2,5% ny entana naondran’ireo orinasa afakaba nandritra ny telo volana voalohan’ny taona. Nihena 5,2% ny habetsaky ny vokatra na niakatra 2,9% aza ny vidiny. Mahatonga izany ny olana ara-barotra sy ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Azon’ny Pr Lily-Arison René de Roland ny loka Indianapolis Prize 2025, Malagasy mpikaroka siantifika ara-tontolo iainana, sady manam-pahaizana manokana amin’ny vorona. Loka iraisam-pirenena am­bony indrindra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ity azony ity, ary izy no mpikaroka faha-10 nahazo izany.
Tontosa ny 12 mey teo ny hady fototra ny dobo fiompiana trondro ao amin’ny Sekolin’ny Zandarimaria Ankorombe Ambositra. Miisa 11 ny dobo haorina ao an-toerana, hiompiana trondro ka hatao fitahirizan-drano ny lehibe indrindra. Nitarika ny fotoana ny kolonely kaomandin’ny sekoly sy ny talem-paritry ny Jono (DRPEB) Amoron’i Mania.

Partager sur: