Hotanterahina etsy amin’ny Zital Ankorondrano, ny sabotsy sy alahady izao, ny hetsika “Mada Dog show”, andiany fahenina. Hetsika fampirantiana sy fifaninanana ho an’ireo alika tsara karazana. “Hiavaka ny seho amin’ity taona ity satria afaka mandray anjara amin’ny fifaninana iraisam-pirenena izay ankatoavin’ny Fédération cynologique internationale(FCI) ny alika voasafidy tsara indrindra mandritry ny hetsika”, hoy ny filohan’ny fikambanana Acym, Mana Jean Herilala, nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tetsy Antanimena, omaly. Anisan’ny nampitombo ny fitiavan’ny olona alika tsara karazana ny fisian’ny hetsika, raha ny nambaran’ireo mpikarakara. Natao ho an’ny mpankafy sy maniry ny hiompy ireny karazana alika ireny koa, mba hahafahany mamantatra ny karazany mety aminy.
Mbola afaka misoratra anarana ireo te handray anjara fa maro ny zavatra tsy maintsy takina amin’ireo alika. Efa misy “puce” hahafahana mamantatra azy, efa vita vaksiny sy salama tsara. Tsy maintsy mandalo veterinera ireo biby tsirairay tonga eny an-toerana. Eo ambany fiahian’ny mpitsara manam-pahaizana iraisam-pirenena, Kerihuel Jean Paul sy Csik Istvan, ny hetsika. Marihina fa 200 mahery teo ny alika tonga notsaraina teny an-toerana nandritra ny hetsika natao tamin’ny taon-dasa.
Mino