Renim-pianakaviana 26 taona nisotro poizim-boalavo ary nomeny koa ny zanany roa vavy tao Anjozorobe, ny alarobia 14 mey teo. Nifamonjena teny anivon’ny hopitaly ireo zaza mirahavavy.
Marary mafy, tsaboina eo anivon’ny hopitaly CHRD Anjozorobe ny ankizivavy roa nampisotroin-dreniny poizim-boalavo tao amin’ny fokontany Antanetibe, kaominina Anjozorobe, ny harivan’ny alarobia 14 mey teo. Nikasa hamono tena io renin’izy mirahavavy io, araka ny fanadihadiana nataon’ny zandarimaria miasa ao an-toerana. Nafangaron-dramatoa rano ny poizim-boalavo mahery vaika ka nosotroiny. Tsy vitan’izay, nomeny koa ireo zanany mirahavavy kely. “Valo taona ny zokiny ary vao telo taona monja ilay zandriny”, hoy ny fanazavana. Nalemilemy avy hatrany ireo zaza roa vavy ireo. Nikoropaka tampoka ny reniny ka nanatona mpitsabo. Nitantara ny zava-nisy tamin’ny dokotera. Niroso tamin’ny fanavotana ireo zaza mirahavavy ny tomponandraikitra.
Mampiahiahy
Ahina mafy ny ain’ilay zazavavy telo taona. Manao izay ho afany amin’ny famonjena ny ainy rahateo ny mpitsabo ao an-toerana. Hitrangana fifamaliana matetika eo amin’io ramatoa io sy ny vadiny, raha ny loharanom-baovao. Misotro zava-pisotro mahamamo rahateo izy mivady ka antony mahatonga ny fikorontana, araka ny fanazavan’ny solontenam-pianakaviany. Misy fotoana miady sy mifampikasi-tanana mihitsy io ramatoa io sy ny vadiny.
Andrasana ny fivoaran’ny fahasalaman’izy telo mianaka ary hanokatra fanadihadiana tsy hoe ela ny mpitandro filaminana.
Tsiferana R.