Nifarana tanteraka omaly ny fanavaozana ny lisi-pifidianana ho an’ny taona 2024-2025. Nambaran’ny eo anivon’ny Ceni fa nitombo ny isan’ireo mpifidy voasoratra anarana.
Nofaranana tanteraka manerana ireo distrika 120, omaly, ny lisitry ny mpifidy nohavaozina. Notontosain’ny rantsamangaikan’ny Ceni teo anatrehan’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana eny anivon’ny distrika izany.
Nivoitra tamin’izany fa miisa 12 078 427 ireo mpifidy voarakitra anaty lisitra nofaranana, raha 11 691 806 ny antontanisa nandritra ny famaranana tanteraka ny lisitry ny mpifidy ho an’ ny taona 2024. “Miisa 386 621, araka izany, ireo mpifidy vaovao voasoratra anatin’izany lisitra izany. Manome ny taham-pitomboana hatrany amin’ny 3,31% izany”, hoy ny tatitra avy eny anivon’ny Ceni.
Nohamafisin’izy ireo fa tena nahitam-bokany noho izany ireo fomba fiasa maro samihafa sy paikadim-panentanana napetraka handrisihina ireo olom-pirenena hisoratra anarana. “Anisan’izany ny hanamarinana na hanitsiana ny mombamomba azy anaty lisitry ny mpifidy”, hoy hatrany ny tatitry ny eo anivon’ny Ceni.
Nanterin’ity rafitra mpikarakara sy mpanomana fifidianana ity fa efa azon’ny olom-pirenena rehetra sy ireo mpisehatra amin’ny fifidianana tsidihina ao amin’ny tranokalan’ny Ceni ireo antontanisa isaky ny distrika.
Synèse R.