Namoy ny ainy ny ramatoa iray latsaka tampoka tao an-davadrano teny Fitraofana, kaominina Talatamaty, ny alarobia 14 mey teo. Nisinton-drano toy ny fanaony andavanandro izy. Nandatsaka ny siny tany tanaty lavaka kinanjo fanina tampoka. Nirona nanaraka ny tady ka nifamonjena. Nananosarotra ho an’ny mponina manodidina ny fanavotana io niharam-boina io. Niantso avy hatrany ny sampana mpamonjy voina izy ireo. Naharitra 15 minitra ny nangalan’ny mpamonjy voina an’ilay ramatoa tao anatin’ny lavaka. Tsy niaina intsony sady efa vatana mangatsiaka no azon’izy ireo. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’izay. Marihina, ilaina fitandremana ny fampiasana lavadrano hisorohana ny tranga tahak’ity tao Talatamaty ity.
Tsiferana R.