« Festival des baleines » andiany fahavalo: Hanomboka eto Antananarivo ny hetsika

Reharehan’i Madagasikara. Tsy ny fandalovan’ireo trozona ihany fa ny hetsika manodidina azy rehetra, izay hanomboka eto Antananarivo amin’ity andiany ity.

Tontolo iainana, fizahantany, fihariana sy toekarena ary kolontsaina. Ireo no sehatra voakasika amin’ny « Festival des baleines », fanao any Sainte Marie, isan-taona. Hiditra amin’ny andiany fahavalo amin’ity ny hetsika hanamarihana ny fandalovan’ny trozona na ny « zagnaharibe » eto Mada­gasi­kara, ka hotontosaina ny 12 hatramin’ny 20 jolay ho avy izao izany. Mialoha izany anefa, hosokafana eto An­tananarivo, amin’ny alalan’ny « Festival de la nature » ny hetsika, ny 17 hatramin’ny 24 mey ho avy izao.
Valo andro ho an’ny tontolo iainana, izay horaisin’i Julien Lepers an-tanana ny fanentanana azy. Mazava loatra fa tsy miala lavitra ny « Question pour un champion », nahafantarana ity mpanentana fandaharana ity izany. Hisy karazam-panontaniana hapetrany, izay hovalian’ireo mpandray anjara amin’ny alalan’ireo fantsona isan-karazany, toy ny facebook, sy antso an-telefaonina ary ny TVM ny dingana voalohany. Hoton­tosaina ny 24 mey kosa ny dingana faharoa, izay hatao mivantana ao amin’ny Radisson Blu Ambodivona. Ireo izay tafakatra amin’ny dingana voalohany no hiatrika izany mivantana. Hisy ampahany amin’ny fandaharam-potoana hatokan’i Julien Lepers hametrahana andiam-panontaniana amin’ireo solontenan’ny mpiara-miombon’antoka rehetra amin’io fotoana io. Handravaka ny fotoana kosa ny Chœurs Miangaly, haneho ny talentany amin’ny hira acapella.
Miara-dalana amin’izay, hisy fanentanana iasn-karazany ao amin’ny AFT Andava­mamba, ny alatsinainy 19 mey hatramin’ny zoma 23 mey izao, ho an’ireo ankizy sy tanora 10 hatramin’ny 15 taona. Hisy fampirantiana sary mahakasika ny tany sy ny ranomasina mandritra izany. Eo ihany koa ny fandefasana ny horonantsary « Océans », eny amin’ny Akamasoa tarihin’ny mompera Pedro, ny alarobia 21 mey.
Toy ny isan-taona, mitodika any Sainte Marie ny mason’izao tontolo izao, indrindra izay liana amin’ireo trozona, mandritra ny ivon’ny « Festival des baleines ». « Fotoana iray io, hanararaotana hampahafantarana ny kolontsaina malagasy amin’ny endriny rehetra, amin’ny alalan’ny fanehoana ireo kanto nentim-paharazana sy ny zavakanto miaina amin’izao fotoana izao », hoy ny nambaran’ny komity mpikarakara, omaly, raha nampahafantatra ny andinindiny momba ny hetsika, tetsy amin’ny foiben’ny Yas Madagascar tetsy Andraharo izy ireo.

Zo ny Aina

Partager sur: