Lozam-pifamoivoizana tetsy Itaosy: Nalefa eny Antanimora ilay mpilalao sarimihetsika

Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana am­baratonga voalohany Anosy, omaly, ny raharaha nahavoasaringotra mpilalao sarimihetsika iray. Naiditra vonjimaika am-ponja eny Antanimora izy taorian’ny fivoahan’ny didy. Voarohirohy tamin’ny lozam-pifamoivoizana nahafatesana olona tetsy Bemasoandro Itaosy, ny alin’ny sabotsy lasa teo, tamin’ny 11 ora, izy. Tsiahivina, nitondra fiara marika Mercedes-Benz CLK izy tamin’io fotoana io. Nandona moto scooter iray nitondra olona roa tetsy Bemasoandro Itaosy izy. Maty tsy tra-drano vokatry ny dona nahazo azy ny vehivavy 29 taona nentina tamin’ilay moto. Naratra mafy ary mbola manaraka fitsaboana kosa ny lehilahy nitondra ilay kodiaran-droa. Tafakatra teo ambonin’ny fitaratra aloha an’ilay fiara mihitsy ny moto. Nipitika tany ambadiky ny fiara ilay vehivavy iray tamin’ny voadona ka maty. Nipitika teny akaikin’ny mpitandro filaminana kosa ilay mpitondra moto.
Fantatra nandritra ny fifampiresahana teo amin’ireo niharan-doza sy ireo olona nanatri-maso ny zava-nitranga fa mamo ihany koa ity mpilalao sarimihetsika ity tamin’io fotoana io. Nandositra ity farany taorian’ny nitrangan’ny loza. Nenjehina izy ary tratra teny Anosimasina. Notanana natao andrimaso teny amin’ny tobin’ny zandarimaria Itaosy izy taorian’izay ary izao natolotra ny fitsarana omaly izao. Antony hanenjehana azy ny vono olona tsy niniana natao, raha ny tatitra voaray.

Mino

Partager sur: