Natolotra teny Anosy ny valin’ny fikarohana nataon’ny mpikaroka momba ny «Resistance aux antimicrobiens (Ram)». Fiadiana amin’ny firongatry ny otrikaretina sarotra tsaboina na mampiseho endrika fanoheran’ny otrikaretina amin’ny endriny rehetra izany. Nisy ny fanaraha-maso ao anatin’ny fenitra Triumph natao nandritra ny dimy taona fa ny fakana ny singa nohadihadiana kosa notanterahina ny taona 2022-2023. Nisy ny tetikasa fikarohana natao ny taona 2024 milaza fa maneran-tany, olona 1,19 tapitrisa no maty ao anatin’ny taona iray ary ny 4 tapitrisa amin’izany, mifandraika amin’ny fisian’ ny Ram no nahafaty azy. «Noho izany, ilaina ny fiadiana amin’ny firongatry ny Ram», hoy ny talen’ny Centre d’infectiologie Charles Mérieux, ao anatin’ny oniversiten’ Antananarivo, ny profesora Luc Herve Samson.
Minisitera maromaro no voakasiky ny ady: Fahasalamana, Rano, Fambolena sy fiompiana, Tontolo iainana, satria misy amin’ny olombelona, biby, sakafo, anatin’ny rano ampiasaina ny Ram, ary zava-doza mananontanona amin’ny fiainana andavanandro.
Ady lavitr’ezaka ny miandry ny mpisehatra ka nomena ny minisitera ny voka-pikarohana ahafahana mandray fanapahan-kevitra. Asa dimy no hatao, efa voafaritra ao anatin’ny drafitrasa nasionaly fa anisany ny fampiasana antibiotika amin’ny fomba lavorary satria mahatonga «resistance» na tanjaky ny otrikaretina izany. Vahaolana amin’ny sehatra fitsaboana ny fanomezana antibiotika amin’ny fomba lavorary, entanina ny vahoaka tsy hividy fanafody afa-tsy eny amin’ny farmasia hisorohana ilay fiforonana otrikaretina sarotra tsaboina. Tokony handrahoina hatrany ny akoho ary sasany tsara ny legioma hialana amin’ny fihinanana ilay bakteria mety mampisy ny tanjaky ny otrikaretina. Hita any amin’ny tsinain’ny akoho izy io. 75% ny akoho misy azy avokoa.
Vonjy