TARATRY ny KANTO

Eusebia etsy amin’ny La Teinturerie Ampa­sanimalo. Hanolotra seho, anio manomboka amin’ny 8 ora alina ity zanakavavin’i Jaojoby ity, mialoha ny handehanany hanomboka ny fitetezam-pirenena any Eoropa. Anisan’ireo mpanakanto efa misehatra amin’ny tsenan’ny mozika iraisam-pirenena izy, kanefa tsy manadino ny mpiray tanindrazana.

Revy gitara sy feo, etsy amin’ny Piment Café Behoririka, anio alina. Tolotra, Dougl, Ony, Tsilavo Riri ary i Nary Mahaleo. Tsy mila ampahalalana intsony fa efa fantatry ny rehetra, hamerina izay « Revy Mahaleo » izay ry zalahy. Tsy izay ihany anefa, fa rehefa mety ho « revy glita » ihany koa, satria misandrahaka ny mozika lalaovin’izy ireo.

Hisesy ny hetsika ho an’ny slam amin’ity faran’ny herinandro ity. Hanomboka amin’ny « Zoma finaritra » ao amin’ny IKM izany, anio manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Hitohy rahampitso 17 mey amin’ny 3 ora, ao amin’ny AFT Andavamamba, amin’ilay hetsika « ça claque ». Amin’io fotoana io ihany koa ny any amin’ny Alliance française Toamasina. Hetsika iarahana amin’ny fikambanana Madagaslam avokoa ireo.

Mashmanjaka eny amin’ny Craam Ankatso. Manome fotoana ireo mpankafy ny mozikany indray ity mpanakanto ity rahampitso 17 mey, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro. Tafiditra anatin’ilay hetsika « Othentik-ras Show – chill & vibes », izany, mialoha ny handehanany any amin’ireo hetsika iraisam-pirenena miandry azy, toy ny « Festival Tsika Jiaby », « SunsKa Festival » ary ny « IOMMa ».

Partager sur: