Mitohy ny fanohanan’ny Base Toliara ny mponina amin’ny lafiny famokarana. Nodiovina ny lakandrano entina hanatsarana ny fambolena, tamin’ny alalan’ny Asa tanamaro.
Nahatratra 2 700 ny olona nandray anjara tamin’ny fanadiovana sy fikojakojana ny lakandrano Andoharano Mamovoky, mampitohy ny kaominina Ankilimaliniky sy Tsianisiha, distrika Toliara II. Nanohana ny asa ny orinasa Base Toliara, tafiditra ao anatin’ny Andraikitra raisin’ny orinasa amin’ny asa sosialy (RSE). Nilaza Resambany André, tale lefitra misahana ny fifandraisana amin’ny mponina, fa tena ilain’ny tantsaha ity fotodrafitrasa ity satria manondraka velaran-tany 3 000 ha. Nodiovina ny sisin’ny lakandrano, nesorina ny fotaka. Andiany faharoa izao natao izao, naharitra 8 andro, raha nandritra ny 14 andro ny ampahany voalohany. Nandray anjara daholo ny lehilahy, vehivavy, tanora.
Ankoatra ny fanondrahana ny velaran-tany ambolena, mitondra ny rano ho an’ny mponina ihany koa ity lakandrano ity. Resy lahatra i Lucien, lefitry ny ben’ny Tanàna Tsianisiha, fa azo tsapain-tanana ny fampandrosoana entin’ny tetikasa Base. Mivelona amin’ny fambolena sy fiompiana ny mponina, ka tonga amin’ny fotoana tena ilàna azy ny fanadiovana ny lakandrano. Efa nisy ny fizarana vary sy masomboly isaky ny fokontany, miampy ny tambim-bola amin’izao Asa tanamaro izao.
Miandry rano fisotro madio
Nambaran’i Leany Fameno, solontenan’ny vehivavy any Tsianisiha, fa «gaga izahay tompon-tany amin’ny tsaho maro haely. Iaraha-mahita anefa ny asa omen’ny Base sy ny fampandrosoana entiny. Efa ela no niandrasanay ny rano nefa tonga aty aminay izany, ankehitriny, ahafahanay mamboly. Irinay ny hisian’ny fotodrafitrasa ho an’ny rano fisotro madio».
Ho an’i Norbert Marcel, solontenan’ny tanora any Tsianisiha, «miteraka tsy fandriampahalemana ny tsy fisian’ny asa. Anisan’ny mamaha izany olana izany ny asa omen’ny Base».
Njaka Andriantefiarinesy