Tsara ifampitaizana

 

Fiteny amin’izay mitady fanampiana ny hoe: omeo fintana izay mangataka trondro. Mila miasa izany amin’izay tadiavina na irina. Mby aiza? Tsy inona fa ny amin’ity hoe ny maha olona anisan’ny andry amin’ny fampandrosoana amin’izao fe-potoam-piasan’ny fitondrana izao. Manao izay efany sy afany tokoa ny mpitondra amin’izany? Eo ny tsirairay mahatsapa sy mitsara izay iainany: efa mba misy ve, ohatra, ny fihatsaram-piainana? Marolafy ny fahasahiranana, ary maika avokoa ny zava-drehetra. Eo, ohatra, ny tsy fandriampahalemana, ny fidangan’ny vidim-piainana, ny tsy fisian’asa, ny fahasahiranana amin’ny famokarana noho ny fiovaovan’ny toetr’andro…
Aiza ho aiza ny antom-pisian’ny fitondrana amin’izany? Na tena mangetaheta fampandrosoana ny vahoaka: vonon-kiova sy hanova, mino fivoarana… Miainga amin’ny tsirairay izay: tsy miandry ny hafa hiova, ohatra, vao hiova. Na miandry sy manantena izay hataon’ny hafa hanova ny fiainan’ny tena. Mby an-tsaina ho azy amin’izany izay ataon’ny fitondram-panjakana. Misy hatrany, rey olona, ny mitomoe-poana miandry fanampiana. Manao ariary zato am-pandriana? Na tsy afa-manoatra… Nefa enti-miainga ihany izay mety ho fanampiana: tsy azo ianteherana, tsy mahavita taona, tsy maharitra… Raha ny marina, fanampiana hialana amin’ny fanampiana.
Na ahoana na ahoana, ny asa ihany no mahavelona sy mampandroso. Aiza ho aiza ny fanampiana sy fampiofanana hahazoana miasa, mamorona asa, mahalasa lavitra… Efa misy? Saingy tsy ampy, tsy mbola tena tafapaka any ifotony, mila atao vaindohan-draharaha… Mila miasa ny tena, saro-piaro amin’izay asa atao, mampivelatra… Misy ny tsy misy atao fotsiny izao na tsy te hanao, matoa miandry sy miandrandra fanampiana hatrany? Tsara ifampifehezana, ifampitaizana, ifanazavana…

R. Nd.

Partager sur: