TSELATRA

Nidoboka eny amin’ny fonjan’Antanimora, afakomaly, ilay jiolahy raindahiny, iray tamin’ireo namono ilay mpanakalo vola tetsy Analakely, ny volana janoary 2025 lasa teo. Voasambotry ny polisin’ny BC Anosy teny Andohanarofotsy izy, ny 10 mey 2025 rehefa niafina nandritra ny fotoana ela. Nahitana basy Makarov calibre 9 mm, misy bala 10 sy karapanondrom-pirenena hosoka fampiasany tao an-tranony nandritra ny fisavana.
Vehivavy roa namoy ny ainy vokatry ny fivadihan’ny bajaja iray tany Morondava, omaly. Maty tsy tra-drano ny vehivavy iray 22 taona. Raha toa ka maty tany amin’ny hopitaly kosa ilay iray 36 taona. Ankoatra izay, mpandeha roa hafa sy ny mpamily naratra. Manaraka fitsaboana eny anivon’ny hopitaly avokoa izy ireo.
Lehilahy iray manodidina ny 50 taona hita faty teo akaikin’ny “Barrage Tanjombato” omaly maraina tamin’ny 7 ora. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy fa nahitana ratra ny lohany sy ny tarehiny. Heverina ho nisy namono ity lehilahy ity ary nasitrika teo amin’io toerana io. Naka ny razana teny an-toerana ny avy ao amin’ny BMH. Tonga nijery ny zava-misy teny an-toerana ny polisy.

Partager sur: