Hanomboka ny fametrahana ny ivontoerana mpamokatra herinaratra mandeha amin’ny masoandro ao Toliara, manana tanjaka 5MW. Hatsangana mandritra ny tapany voalohany ny 2,5MW raha hovitaina amin’ny taona ho avy ny tapany faharoa. Mitotaly 10 MW ny tanjaky ny angovo ho azo aorian’ny fanatanterahana ny asa. Tanjona ny hampisitrahana angovo madio ho an’ny rehetra.
Haharitra 5 ora ny fahatapahan’ny herinaratra anio sy rahampitso amina faritra maro eto an-dRenivohitra sy ny manodidina. Nilaza ny orinasa Jirama fa misy ny asa atao sy fanatsarana ny tambazotra mampifandray toerana maro ka mahatonga ny fahatapahana. Mampikorontana ny fandaharam-potoan’ny rehetra ny zava-misy. Voatery mampiato ny asany ihany koa ireo orinasa madinika miankindoha amin’ny fampiasana herinaratra.
Manome lanja ireo trano fandraisam-bahiny manaja tontolo iainana ny 70% ny mpizahatany maneran-tany. Asongadina manokana ny fampihenana ny fampiasana ny plastika, ny fitsitsiana rano sy ny fampiasana angovo. Eo koa ny fironana amin’ny fampiroboroboana ny fahaiza-manao eo an-toerana. Miroso mankany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny maha matihanina ireo mpisehatra ny fironana mankany amin’ny fanajana ny rohivoary sy ny zavamananaina isan-karazany.