«AfroMada Music Awards» : Ho fantatra anio ireo mpanakanto voafidy

Hanokatra ny lalan’ireo mpanakanto malagasy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Tsy vitan’izay fa ho fanehoana ny firaisankina ny mpanakanto afrikanina koa ity hetsika ity.

Efa tonga eto Madagasi­kara ireo afrikanina mpa­nakanto maromaro. Anisan’ireny ry Kissila Kay avy any Cameroun, Dj Amaroula avy any Congo, El Passo avy any Maurice, sns. Anisan’ireo nampahafantarina omaly, fa handray anjara amin’ny hetsika « AfroMada Music Awards » andiany voalohany, izay ho­tontosaina eto Madagasikara izy ireo, nandritra ny fanokafana ny hetsika teny amin’ny Pietra Hôtel Analakely, omaly.
« Tetikasa tena tato anatin’ ny foko, tiako notanterahina efa ela izy ity. Efa ela aho no nahalala ny mozika malagasy, sy resy lahatra fa afaka mison­gadina maneran-tany koa ireo mpanakanto malagasy. Nitsiry teo ny hevitra ny hampihaona ireo afrikanina mpanakanto sasantsasany sy ireo Mala­gasy, na dia hifanakalo traikefa fotsiny aza » hoy ny nambaran’i Dr Falafala, tomponandraikitra voalohany amin’ny
« AfroMada Music Awards ».
Lehibe indrindra anatin’ity hetsika ity ny fanomezana fankasitrahana ireo afrikanina mpanakanto heverin’ireo mpankafy fa mendrika ny tokony hahazo izay « Awards » izay. Sokajy miisa 29 no nifaninanana, ka nahitana Mala­gasy mpanakanto mivoy karazan-gadona maroloko, maherin’ny 50 izany. Ho fantatra anio ireo mpandresy isan-tsokajy, araka izay nalahatry ny mpankafy nandritra ny iray volana, nanaovana ny fifidianana izay. Misy mpitsara iraisam-pirenena koa manana ny fijeriny, manampy ireo an’ny mpankafy.

Haka endrika lanonana arahina fampisehoana ny fampahafantarana anio alina, eny amin’ny Arena Ivandry. Hana­fana ny fotoana ireo vahiny mpanakanto tonga eto, am­pian-dry Parish, Moopcan, Maman’i Tsôlôlô, Tence Mena, sns. Handeha amina fahitalavitra maromaro aty Afrika sy ireo hafa ity hetsika ity, raha ny fanazavana hatrany.

Zo ny Aina

Partager sur: