Nahitsy ny sasany amin’ireo solombavambahoaka fa tena very ny hasin’ny Antenimierampirenena manoloana ny anaovan’ny fahefana mpanatanteraka azy ireo.
Tsy misy firaharahana ireo fanapahan-kevitra lehibe eto amin’ny firenena. Anisan’izany ny tsy fanitsiana ny tetibolam-panjakana amin’ity taona ity. Tahaka izany koa ny tsy nanaovana ny fifanatrehana eo amin’ny governemanta sy ireo solombavambahoaka tao anatin’ny herintaona. “Izao indray tsy voaloan’ny fitondram-panjakana ny karaman’ireo mpanampy anay Assistant parlementaire, anisan’ny mpiara-miasa akaiky aminay”, hoy ny depioten’Atsimondrano, Raharimanarivo Voahangy. Nanteriny fa efa voatendry ara-dalàna avokoa ireo mpanampy azy ireo. Miisa telo raha mpiasa maharitra ka miteraka olana amin’ny asan’ireo depiote izany. Voatery mikaroka vahaolana ho azy ireo ny ankamaroan’ireo solombavambahoaka, manoloana izany.
Tsy misy fanazavana
Nanamafy izany ny depiote Randriamasinoro Ny Rina Tahiry fa tsy mbola nandray karama hatramin’ny nipetrahan’ireo solombavambahoaka. “Tsy mba misy ny fanazavana momba izany avy amin’ireo tomponandraikitra, nefa mpanolotsaina teknika anay ireo tsy mbola nahazo karama ireo. Midika ho fanaovana tsinontsinona sy tsy fanomezana hasina ity andrimpanjakana ity avokoa izany ary fanitsakitsahana ny depiote”, hoy izy. Nambarany fa manao ny ataony ny fahefana mpanatanteraka manoloana ny fahefana mpanao lalàna.
Synèse R.