Nongotan’ny olon-dratsy ny karakara vy “grille de protection” tamin’ny varavarankely, norobain’ny jiolahy nitondra basy ny tokantrano iray, tao Ambohidratrimo. Lasa ny volabe an-tapitrisany.
Nampiasa tohatoha-kazo, nanongotra ny fiarovana teo amin’ny varavarankely tamin’ny alalan’ny “barre à mine” ny andian-jiolahy nitam-piadiana tao amin’ny fokontany Ambohitsiroa, kaominina Ambohidratrimo, ny alin’ny alakamisy 15 mey teo.
Tsy nihafahafa, nanapoaka basy avy hatrany vantany tafiditra tao an-trano ireo olon-dratsy. “Nanapoaka teo amin’ ny tohatra izy ireo”, hoy ny fanazavan’ny lasibatra nandritra ny fanadihadian’ny zandary. Niditra an-keriny tao amin’ny efitrano fatorian’ny tompon-trano tany amin’ny rihana fahefatra ireo jiolahy. Efa voasavan’izy ireo anefa ny tany amin’ny efitra hafa. Nahazoan’izy ireo vola nitetina 80 tapitrisa Ar. Nanambana basy ary nikasa hitifitra ireo olon-dratsy ny tompon-trano saingy tsy nipoaka ny basiny. Nitsoaka nanao tari-dositra nitsambikina nivoaka ny trano io raim-pianakaviana io. Tavela tao an-trano niaraka tamin’ny basy tsy nipoaka ny vady aman-janany. Tetsy ankilany, nampiasa basim-borina ireo mpandroba ary nanapoaka izany nandritra ny fandosiran’izy ireo, araka ny voka-panadihadian’ny zandary misahana ny famotorana.
“Versement”
“Lelavola nokasaina homena karana omaly io lasan’ ny jiolahy io”, hoy ny tompon-trano lasibatra. Versement efa nomanina omena karana io vola nisy nandroba io, raha ny fanazavana. Ankoatra io, lasan’ny jiolahy koa ny finday roa. Nahitan’ny zandary taim-bala calibre 12 roa tao an-trano sy teny an-tokontany. Na izany aza, tsy nisy naratra na aina nafoy tao amin’ireo lasibatra. Nanokatra fanadihadiana momba izao fanafihana izao ny mpitandro filaminana ao an-toerana. Manjaka ny fanafihan-jiolahy, vono olona tato ho ato.
Tsiferana R.