Famokarana : Mitombo ny vokatry ny orinasa malagasy

Miha mahazo vahana ny seha-pamokarana eto amintsika, hatramin’ny nametrahana ny fepetra fiarovana ny indostria. Manomboka mihena ny fanafaran’entana ataon’i Madagasikara, mitombo ihany koa ny tolotra omen’ireo orinasa malagasy ho an’ny mpanjifa. « Ny taona 2018, taona nametrahana ny fepetra fiarovana, manodidina ny 45 000 taonina ny paty nafarantsika ary 7 000t monja ny vokatra avy eto an-toerana. Anke­hitriny, tafakatra 70 000 t ny vokatra ary latsaka ny 7 000t sisa ny hafarana », hoy ny tale jeneralin’ny Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales » (ANM­CC), Barthélemy, omaly. Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Andron’ny seha-pamokarana, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, no nilazany izany. “Vahaolana ny fampiroboroboana ny orinasa sy ireo milina  mpanodim-bokatra han­­drindrana ny famokarana amin’ny hoavy sy ny fiarovana ny indostria malagasy”, hoy ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny indostria sy ny varotra (MIC), Ralambofiringa David. Fotoana ahafahana midinika momba ny fepetra fiarovana sy hizaran’ireo orinasa efa nisitraka izany ary ny ezaka vitany ny telo andro anaovana ny hetsika.

Tantsoroka
Vonona hanome tantsoroka sy hanampy amin’ny fananganana orinasa ny minisitera MIC sy ny ANMCC. An­draikitr’ity farany ny miantoka ny fiarovana ny famokarana eto an-toerana ho an’ny tombontsoam-pirenena. Anke­hitriny, misokatra ny lalam-barotra manodidina an’i Madagasikara hahafahana manondram-bokatra any ivelany. « Na izany, mila jerena ny kalitao sy ny fenitra takina», hoy ny minisitra Ralambo­firinga David. Nanamafy ny filohan’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), Rasamimanana Tiana, fa “afaka mifaninana amin’ireo avy any ivelany ny vokatra malagasy, saingy mila hajaina ny fitsipiky ny fanondranana”.

Henintsoa

Partager sur: