Notanterahina tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina ny fampirantiana momba ny fanabeazana ara-tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, tamin’ity herinandro ity. Manentana ny tanora sy ny vahoaka amin’ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana ny hetsika.
Niarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy nanatanteraka ny hetsika. Anisan’ny mandray anjara amin’ny fampirantiana ny fandaharanasa Padi, izay tohin’ny Page II, sahanin’ny GIZ. Hisehatra mivantana eny ifotony, anivon’ny faritra sy ny kaominina, ka hiara-kiasa amin’ny mponina ny fandaharanasa manomboka izao. Misy hatrany ny fampahafantarana momba ny rohivoahary, ny tombontsoa amin’ny fiarovana azy sy ny zavatra azon’ny mponina sitrahina rehefa tandrovana izy ireny. Amin’ny alalan’ireo rohivoahary ireo koa no hoentin’ny Padi miara-miasa amin’ny olona eny ifotony hamolavola asa na tetikasa azo ivelomana na rohim-pihariana maharitra lovainjafy tsy hitrandrahan’izy ireo ny harena voajanahary.
« Eo amin’ny fifandraisana amin’ny olona eny ifotony, misy hatrany ny fanentanana sy fampahatsiahivana, hahatonga saina amin’ny maha zava-dehibe ny rohivoahary. Eo no manana anjara asa lehibe ny fanabeazana ara-tontolo iainana ho an’ny mpianatra, vahoaka, eny anivon’ny fikambanana. Izay no fitaovana enti-manentana hitondrana fiovam-pihetsika amin’ny fikolokoana ny loharanon-karena voajahanary », hoy ny tomponandraikitry ny Fandaharanasa Padi, Ravakiniana Sonia Gilberte Annie.
Amin’izao fandaharanasa vaovao izao, hiaraka amin’ny tomponandraikitra eny ifotony hamaritra ny toerana hiasana izy ireo ka arakaraka ny fahapotehana sy ny tsindry misy eo amin’ny kaominina ny fanentanana hoentina. Misy fitaovana efa nampiasana teo aloha, tamin’ny Page II, toy ny kit Madere, mbola azo kirakiraina satria tsapa fa nitondra vokatra tsara.
Nandritra ny fampiharana ny fandaharanasa Page I sy II, 600 ireo sekoly nampiasa ny kit Madere miaraka amin’ny masoivohon’ny GIZ maromaro nanao fanentanana ny ankizy hivoy ny fihetsika miaro tontolo iainana dieny mbola kely.
Nanampy betsaka ny sekoly, indrindra ireo manana kilasy hiatrika fanadinana ny kit madere. Nampiasain’ ny mpampianatra amin’ny taranja jeografia miaraka amin’ny fanabeazana ara-tontolo iainana.
Nampidirana amin’ny fandaharam-pianarana ny tsara ho fantatra momba ny fiovan’ny toetr’andro. Manomboka amin’ny ambaratonga voalohany ka hatrany amin’ny lycée. Niara-niasa tamin’ny teknisianin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena izy ireo ka nasongadina ny fahafahana miatrika ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fepetra azo raisina manomboka any an-tsekoly. Nampiasa boky manokana koa ho an’ny taranja rehetra manomboka amin’ny garabola.
Fihetsika miaro ny rohivoahary ampiasaina andavanandro
Nandritra ny roa andro, teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina, nampanao sary hanentanana ny ankizy ho tia sy hikolo ny tontolo iainana ny fandaharanasa Padi/GIZ amin’ny lohahevitra “ny tontolo iainana iriko”. Teo koa ny fanentanana tsy hanadinoin’ny olona ny maha sarobidy ny fikojana ny tontolo iainana amin’ny tanàn-dehibe, tamin’ny alalan’ny lalao momba ireo fihetsika miaro ny tontolo iainana ampiasaina amin’ny fiainana andavanandro.