Fotoana hampisehoana vokatra miavaka amin’ny sehatra manokana azo atao fanomezana ho an’ny reny, ho fankalazana ny fetiny, ny hetsika varotra fampirantiana « Fanomezana ho an’i neny ». Karakarain’ny NCom agency eny amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fantajanahantena izy io, ny 22 ka hatramin’ny 25 mey ho avy izao. « 80 ny tranoheva handray anjara. Samy hanana ny zavatra hampirantiany ho an’ny reny avokoa ireo fa hanan-danja kokoa ny kojakoja fampiasa ao an-dakozia. Satria, izay no hita fa manintona ny vehivavy amin’izao fotoana izao », hoy ny mpikarakara ny hetsika, Ratiaray Tahiry Fitiavana, omaly. Andiany faharoa ny hetsika ka hampiavaka azy ny fifaninanana Miss maman. Hisafidianana ny reny mbola mahakoja vatana sy ny tarehy izany. Afaka miaraka amin’ny zanany koa izy mifaninana. Misoratra anarana ao amin’ny pejy facebook an’ny mpikarakara ireo vonona hilatro, hampiseho ny hatsarany, amin’io fotoana io. Reny telo no hotolorana loka rehefa nahafeno ny fenitra takina.
Hisarihana ny reny hitsidika ny fampirantiana ny fanomezana fihenam-bidy hatramin’ny 50% raha izy tenany fa tsy ny vadiny na ny zanany no hividy fanomezana ho azy eny an-toerana.
Fotoana fialamboly ialana amin’ny rotorotom-piainana ihany koa io efatr’andro io.
Vonjy