Filoha Rajoelina Andry : Hiainga avy any atsimo ny fampandrosoana

Nifantoka tamin’ny resaka lalana ny kabarin’ny Filoha Rajoelina. Nambarany fa hovaina ny tantara, ka ny faritra Atsimo no hanana lalana betsaka eto Madagasikara, afaka telo taona. Hiainga avy any ny fampandrosoana.

Taorian’ny tany Toliara, nijery ny fizotry ny asa fanamboaran-dalana any amin’ny tapany atsimon’ny Nosy ny filoha Rajoelina Andry. Napetrany omaly, tany Ampanihy, ny vato fototra hanombohana ny asa fanarenana ny lalam-pirenena RN10 hatrany Ambovombe, mifandray amin’ny RN13. Manao ny asa ny orinasa sinoa CSCEC, efa nanangana ny Kianja Barea Mahamasina. Mitotaly 205 km ny asa, hatao godirao manontolo, ka mirefy 7 metatra ny sakany. Mizara roa ny asa. Ampahany voalohany, ny ao Ampanihy-Beloha, mirefy 93 km, faharoa ny Beloha-Ambovombe.
Madiva ho vita, vita hatramin’ny 90%, ny ampahan’ny RN13, Taolagnaro-Ambovom­be, mirefy 114 km. Manao ny asa ny orinasa Colas, famatsiam-bolan’ny Vondrona eoropeanina amin’ny alalan’ny Banky eoropeanina ho an’ny fampiasambola (BEI).
Notsipihin’ny filoha Rajoe­lina, fa nilaza taminy ny Banky iraisam-pirenena fa misy 400 tapitrisa dolara azo hanamboaran-dalana. Tsy nisalasala ny tenany nilaza, fa aleo ampiasaina any amin’ny faritra Atsimo. « Rehefa vita ny RN13 mankany Betroka, afaka 3 taona, dia aty amin’ny tapany atsimo no hanana lalana betsaka sy tsara indrindra eto Madagasikara. Ovaintsika ny tantara ka ny faritra Atsimo indray no hitarika sy hitondra ny fampandrosoana”, hoy ny filoha.

Afa-miarina

Faritra tena mamokatra, mamaly ny filàna rehetra manerana ny Nosy ny faritra Atsimo ary afaka miarina tsara. Mitsoka avy any Atsimo ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
Ankoatra ny fanamboaran-dalana, nambaran’ny filoham-pirenena koa fa hanangana biraom-panjakana manara-penitra maromaro sy lapan’ny Tanàna ho an’ny kaominina ny fitondram-panjakana tarihiny. Homena fiarabe roa hitaterana fako ihany koa ary hasiana jiro manazava ny tanàna.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: