Vonona hanome tantsoroka sy hizara traikefa hahafahana mampivelatra ny fandraharahana ao Afrika ny Tsenabe iraisam-pirenena eto Madagasikara (FIM). Ilaina ny manamafy ny sehatry ny toekarena hiatrehana ny fanatontoloana sy ny fanondranam-bokatra. « Tanjona ny hisarihana ireo afrikanina mpandraharaha ho avy eto amintsika », hoy ny mpandrindra ny Madavision sady mpikarakara ny hetsika, Ramanantsoa Tahiry. Lohahevitry ny hetsika ny hoe « Madagasikara, tetezana mihazo an’i Afrika ». Ilaina ny manamafy ny fahaiza-manaontsika hoenti-manatanteraka ny fanamby sy ny vinam-pampandrosoana ny toekarena. Hizara sy hampahafantatra ireo soa fanararaotra sy ny tombontsoa ao anatin’izay ireo minisitera samihafa, hoy ny fanazavana. Hampisehoana ny 22 ka hatramin’ny 25 mey, eny amin’ny CCI Ivato, efatr’andro hanaovana ny tsenabe, ny tanjaky ny toekarena malagasy. Hiparitaka amin’ny velarana 22 000m2 ireo karazana seha-pihariana sy tetikasa misy eto amintsika. Ankoatra izay, hifantoka amin’ny fampiofanana « Speed networking », sy fanitarana ny fahaiza-manao ny “FIM 2025”. Hifanakalo sy hifanerasera ny samy mpandraharaha.
Henintsoa