INDRAY MIJERY

Anisan’ny politikan’ny fitondram-panjakana ny fametrahana ny singa entina manapa-kevitra mifandraika amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Toy ny fananganana sekoly afaka miatrika rivo-doza. Eo ko ny fampanarahana ny « norme ISO environnementale » amin’ny tsenambaro-panjakana toy ny fividianana fitaovam-pianarana.

Mahafaty ny otrikaretina sarotra tsaboina (RAM) raha misy io otrikaretina io nefa tratran’ny infection ilay olona. Antibiotika tena lafo vao mahasitrana azy ka raha tsy ampy vola na koa tsy ampy hery fiarovana dia mety ho faty vokatr’izany. Tamin’ireo vehivavy bevohoka amin’ny tanàn-dehibe notiliana, 28% no manana ilay bactérie multiresistante ao anatiny.

Mandritra ny fandalovan’ny minisitry ny Fampianaran ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ao Toliara, nandray sy nihaino ireo tomponandraikitra, “staff”, notarihin’ny filohan’ny Oniversiten’i Toliara sy ireo filohan’ny fikambanan’ny mpianatra ny tenany, tao amin’ny Oniversite Maninday.

Nizara fanomezana ho an’ ireo mponina marefo taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Jude ny orinasa Rio Tinto QMM miaraka amin’ny BNGRC. Tokantrano miisa 200, ao amin’ny fokontany Amparihy, no nisitraka vary ary tafo fanitso ho an’ny toeram-pianarana ao amin’ny kaominina Taolagnaro Renivohitra, tamin’ity herinandro ity.

Partager sur: