“Harena lehibe nirina hitondra fandrosoana, hialana amin’ny fahantrana, ny vokatry ny tany, ny vokatry ny ranomasina… Nefa indrisy lavitra ny fivoarana andrasana no hita sy tsapa”, hoy ny hafatry ny Vaomieran’ny eveka Justice et Paix. ”Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an’ny besinimaro” ny lohahevitra nampitaina omaly, taorian’ny fivoriana tany Toliara, ny 8-12 mey. Manao sonia izany ny filohan’ny Justice et Paix, Mgr Ramaroson Benjamin Marc; ny sekretera jeneraly, ny pretra Andrianasolo Sata Jean Noël. Lasa tsy harena ny harena noho ny tsy fisitrahan’ny besinimaro azy. Mampitombo ny kolikoly amin’ ny sehatra rehetra ny fitrandrahana tsy ara-drariny sy tsy ara-dalàna, anisan’ny anton’ ny fahantrana sy ny tsy fandriampahalemana izany. Ny fampiharana ny rariny sy ny hitsiny ihany no antoky ny fahafahan’ny Malagasy manontolo, tsy ankavanaka, misitraka ny hareny.
“Tonga amin’ny kihon-dalana tsy azo ihodivirana isika ankehitriny amin’ny fandraisana an-tanana sy fandraisana andraikitra mivantana hanovana izao zava-misy tsy ara-drariny izao”, hoy ny hafatra. Takina ny fanovana toe-tsaina sy fitondran-tena manoloana ny asa fitrandrahana harena voajanahary; ny fampiharana ny lalàna, indrindra ho an’ny tomponandraikitra. Eo koa ny fitsinjarana ara-drariny sy ao anatin’ny mangarahara ny harena, manomboka hatrany ifotony ary indrindra ny tamberim-bidy; ny fijerena akaiky ireo madinika mpitrandraka mba ho ara-dalàna ary hahazo ny tombontsoany ara-drariny. Miantso ny tsara sitrapo rehetra mba samy handray andraikitra, araka ny tandrify azy, amim-pahamarinana sy amim-panarahan-dalàna izy ireo. Adidy masina ny fanompoana ny tanindrazana, tsy azo ihodivirana.
R. Nd.