Manao tantsoroka ny Unicef: Fampitaovana “malette scientifique » hanaovana andrana

Manao tantsoroka ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny minisiteran’ny Tontolo iainana ny Unicef amin’ny fanabeazana momba ny tontolo iainana, nanomboka ny taona 2022. Nisy ny fampiofanana mpampianatra sady namokatra torolalana fiatrehana loza ho an’ny mpianatra miaraka amin’ny fampiharana sy natokana ho an’ny mpampianatra. Namolavola “porte clé” mirakitra fanabeazana momba ny tontolo iainana misy hafatra manokana. Ma­nampy ireo ny fananganana sekoly mahazaka rivodoza, mba tsy ho tapaka lava ny fampianarana rehefa tonga ny fahavaratra.
Anatin’ny fampiofanana koa ireo natokana ho an’ny taranja siantifika momba ny fiovan’ny toetr’andro. Omena fitaovana “malette scientifique” ny mpianatra ahafahany manao andrana mivantana handrefesana ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro (mijery ny hafanana, ny Ph ny rano, maka singa eny amin’ny tontolo iainana …)
Anisan’ny manamora ny fampitana  fampianarana momba ny fiovan’ny toetr’andro ny “planche pédagogique”. Ankoatra ny fampiofanana samihafa, manana tetikasa sekoly maitso: mpianatra iray, mamboly hazo iray, niarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ny Unicef. Zava-dehibe ny fisian’ny club RRC-ACC eny amin’ny CEG ka mifanentana ny samy mpianatra momba ny fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro sy ny fiarovana ny tontolo iainana.
Sekoly 150 no nanatanterahana ireo sahanasa samihafa ireo, amin’ny faritra valo: Androy, Anosy, Analajirofo, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Boeny,Vatovavy sy Fitovinany.
Faritra misy fiantraikany mivantana amin’ny fiovan’ny toetr’andro no iasana, toy ny any Androy iharan’ny haintany, raha andalovan’ny rivodoza matetika kosa ny any Atsimo Atsinanana.

Nanatontosa : Vonjy

Partager sur: