Sampandraharaha Biochimie-CHUJRA: Manodidina ny 180 isan’andro ny fitiliana atao

Nampahafantatra ny sampandraharaha Biochimie ao amin’ny CHUJRA ny lehiben’ity sampandraharaha ity, Ra­nai­vosoa Koloina Miora
Misy karazany roa ny fitiliana azo atao. Eo ireo fitiliana izay angatahin’ny dokotera na ny fitiliana maika toy ny fijerena ny fatran’ny calcium, magnésium, phosphore, ny tahan’ny siramamy ao anaty ra, ny tahan’ny siramamy ao anaty pipy… Manao fitiliana ny cholestérol, triglycéride… fitiliana ny hépatite sy ny fahasalaman’ny aty… fitiliana ny fahasalaman’ny voa… ihany koa izy ireo.
Misy ihany koa ireo fitiliana voatokana kokoa, toy ny fijerena ny tahan’ny hormone, ny fitiliana ny vehivavy mitondra vohoka…ny fitiliana izay ampanaovin’ny mpitsabon’ny aretina homamiadana… Tsy ny ra ihany no tiliana fa afaka atao koa ny fitiliana ireo tsiranoka hafa…
Heverina ho amin’ity taona ity ny hanaovana fitiliana ny tahan’ny fanafody any anatin’ny ra.
Ankoatra ireo dia toerana iray anaovana fikarohana ihany koa ny Sampandraharahan’ny biochimie. Efa maro ireo mpianatra nanao fikarohana tao. Toerana mampiofana ireo paramedy ho lasa teknisianina amin’ny laboratoara koa izy io
Tamin’ny taona 2024, niisa 5 300 isam-bolana, na 180 isan’andro ny fitiliana natao. Nandray marary 1 950 isam-bolana na 70 isan’andro ny Sampandraharaha. Tanjona ny hamoaka ny valin’ny fitiliana ho marina sy azo antoka, hahafahana manao ny fitsaboana mifanaraka amin’ny aretina.

Tatiana A

Partager sur: