Nankalazaina teny amin’ny toby famaharan’ny Tafika ana habakabaka Ivato (Escadron Hélicoptère), omaly, ny faha 64 taona ny Tafika ana habakabaka. Lanonana teo ambany fiahian’ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Rakotoarivelo Deramasinjakana Manantsoa, notronin’ireo tomponandraikitra ambony eo anivon’ny minisiteran’ny Foloalindahy. Nitarika ny lanonana ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika ana habakabaka, ny Jly Rabemizana Toky, ary nizara telo lehibe ny fandaharam-potoana. Ny voalohany, fanolorana mari-boninahitra ho an’ireo nahavitabe teo amin’ny sehatrasa misy azy ireo. Efatra notolorana « Officier de l’ordre national » raha 17 mirahalahy kosa nomena ny « Chevalier de l’ordre national ». Nitohy tamin’ny lanonana fanaovam-beloma ny fiainana ara-miaramila izany ho an’ireo miaramila avy ao amin’ny Tafika ana habakabaka handeha hisotro ronono. Enina amin’izy ireo no manamboninahitra jeneraly, raha manamboninahitra ny 11 ary manamboninahitra lefitra ny telo. Nofaranana tamin’ny fametrahana sy fanehoana takela-pahatsiarovana ireo mpanamory lavo teo am-panatanterahana iraka ho an’ny Tanindrazana ny fotoana. Ny Tafika ana habakabaka, manan-danja eo amin’ny firenena noho izy mpiambina sy mpiaro ny lanitra, miantoka ny fiarovana sy ny fiandrianam-pirenena ary manome toky amin’ny fandriampahalemana ho an’ny vahoaka amin’ny fanatanterahana iraka maro.
Jean Claude