Handray seho mozika klasika ny AFT Andavamamba, rahampitso alahady, amin’ny 4 ora hariva. Ny trio Elgiaco, avy amin’ny Madagascar Mozarteum, no hamerina ireo sanganasan-dry G.Fauré, Rashmanioff, Schumann, J. Williams, mandritra izany.
« Nankaiza ny lakolosy? », fampisehoan’i Gothlieb sy ny namany izay hotontosaina anio, etsy amin’ny CCEsca Antanimena io. Hatsikana ranoiray, fa iresahan’i Gothlieb ny fiainana andavanandro, ny politika, sns, araka ny fanaovany azy.
Marihina rahampitso ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Mozea. Noho izay, hisokatra manokana ho an’ny besinimaro ny Mozean’ny saripika eny Anjohy mandritra ny tontolo andro, ary tsy misy saram-pidirana izany.
Hatao rahampitso alahady 18 mey ny « Takalo dinika Amorom-patana », iarahana amin’ny Foibe Fimpima maneran-tany. Hitarika izany ny Dr Rabenalisoa Ravalitera sy Ranjatohery Harilala, samy Renala ao amin’ny Fimpima. Amin’ny 4 ora hatramin’ny 6 ora hariva, ora eto Madagasikara no hanatontosana izany.