Tratra nivarotra rongony : Telo lahy nalefa eny Antanimora

Notanana eny amin’ny fonjan’Antanimora ireo telo lahy mpivarotra rongony, taorian’ny fampanoavana, afakomaly. Nanao fisafoana teny amin’ny kaominina Ambohimangakely ny zandary, ny alin’ny alatsinainy 12 mey teo. Lehilahy iray malaza ratsy amin’ny asa fanendahana, vaky trano nifanena tamin’izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany io mpanao ratsy io rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana saingy tsy lasa alavitra. Natao ny fisavana, nahatrarana rongony teny aminy. Nitoroka ny namany roa lahy izy. Mpivarotra rongony ao amin’ny fokontany Antanambao, kaominina Ambohimangakely, izy ireo. Natao ny vela-pandrika. Sarona koa, ireo roa lahy namany. Niara-natao fanadihadiana, voamarina fa samy efa nigadra teny Antanimora ireo voasambotra ireo. Mivarotra rongony ny atoandro ary manao asa ratsy ny hariva. Natolotra ny fampanoavana ka niara-voatazona vonjimaika eny am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: