Tsy omen-danja : Misy kolontsaina tsy tazana mihitsy

Fa nankaiza? Tsy re tsaika ny hosodoko. Tsy tazana ny fanaovan-tsakafo na ny ko­lontsain’ny nahandro mala­gasy. Karohina etsy sy eroa ny lamba landy sy ny tontolony… Any ihany, hono, izy ireny fa ny sehatra ivelarany no mihidy. Eo ihany koa ilay fahalainana sy hakamoan’ny mpisehatra noho ny zava-manjo ny taranja misy azy.
Sarotra ho an’ny mpanao hosodoko, ohatra, ny hanofa efitra iray hanatanterahiny varotra fampirantiana ao anatin’ny herinandro. Hofantrano 70 000Ar ka hatramin’ny 100 000Ar isan’andro. Raha tabilao iray na roa no lafo mandritra ny ranty herinandro. Manjary manan-trosa. Mata­hotra ny mpanao hosodoko! Tranga iombonan’ny kolon­tsaina sy ny zavakanto mala­gasy anefa io.

Ireo manome lanja indray…

40 000Ar isam-bolana ny saran’ny fianarana sary hosodoko. Mifanontany indray ny Malagasy: « izany ve tsy lafo be »? Mianatra mandihy, dihy malagasy, 60 000Ar ao anatin’ ny iray volana. Taitra indray ny Malagasy ka tafaloaky ny vavany ny: « aleonay ihany mitsinjatsinjaka fahatany eny rehefa misy fety fa lafo loatra izany »! Dia tahaka izany hatrany, no mahazo ireo te hametraka ny hasin’ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy amin’ny toerana tokony hisy azy.
Satria, efa tsy nomena lanja tao anatin’ny taona maro ny kolontsaina malagasy. Sarotra, satria, mitaky fotoana maharitra ihany koa ny haneho, na handresy lahatra ny Mala­gasy fa manana hasina goavana be ny kolontsaina satria anisan’ny singa iray mitazona sy mahatazona ilay « fanahy maha olona », fantatry ny Mala­gasy tsara.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: