« Afromada Music Awards »: « Artiste révélation » i Ceasar

Teo amin’ny tontolon’ny zavakanto, namarika ny faran’ny herinandro teo, ny fisian’ilay fifaninanana «Afromada Music Awards». Mpanakanto maro no nandray anjara. Anisan’ny nahazo sy notolorana ny amboara «Artiste révélation de l’année» i Ceasar. Malagasy mpanakanto anisan’ny nanintona ny mpitia zavakanto ny fomba nanehoany ny sanganasany. Sokajy miisa 29 no nifaninanana, ka nahitana Malagasy mpanakanto, mivoy karazan-gadona maroloko, maherin’ny 50.
Anisan’ny manampy betsaka ny mpanakanto ny fifaninanana tahaka itony, raha ny fanazavana nomen’ny tomponandraikitra nandritra ny fanolorana ny amboara teny amin’ny Arena Ivandry, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’ny vina tanterahin’izy ireo rahateo ny hampivelatra ny talentan’ny mpanakanto amina sehatra lehibe iraisam-pirenena.
«Tato anatin’ny foko, tiako notanterahina efa ela izy ity. Efa ela aho no nahalala ny mozika malagasy. Resy lahatra fa afaka misongadina maneran-tany ireo Malagasy mpanakanto», hoy ny Dr Falafala, tomponandraikitry ny «AfroMada Music Awards».

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: