Basikety: norombahin’ny MB2All ny amboaran’ ny ligin’i Boeny, vehivavy

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Mahajanga, ny fiadiana ny amboaran’ny ligin’i Boeny, taranja basikety, eo amin’ny sokajy N1A. Nafana ary tena niady ny lalao, na ny sokajy lehilahy, na ny sokajy vehivavy. Teo amin’izay sokajy vehivavy izay, norombahin’ny ekipan’ny MB2All Analamanga ny amboara, rehefa nifampitana tamin’ny ekipan’ny GNBC Analamanga izy ireo, teo amin’ny famaranana. Nifandanja tanteraka ny lalao ary tsy nanaiky lembenana ny roa tonta, saingy nandrombaka ny fandresena, tamin’ny isa 67 no ho 57, ny ekipan’ny MB2All. Tena avo lenta ity fifaninanana tany Mahajanga ity ary hita taratra ny fivoaran’ireo ekipa nandray anjara tamin’ity vondrona A amin’ny Zone nord ity. Hafana ny dingana faharoa ho azy ireo. Teo amin’ny lalao fiadian-toerana kosa, niady ny fifanandonana teo amin’ny sokajy vehivavy, izay nihaonan’ny Dunamis Analamanga sy ny ASSM Analamanga, ka isa 68 no ho 64, no nandavoan’ny ASSM ny ekipan’ny Dunamis. Ny ASSM, araka izany, no mitàna ny laharana fahatelo, nandritra ity fiadiana ny amboaran’ny ligin’i Boeny, natao tany Mahajanga, ity. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, laharana fahatelo ny ekipan’ny MBC Atsinanana, rehefa nahavita nanala vela ny ekipan’ny BC Somava Sava, tamin’ny isa 86 no ho 76.

Mi.Raz

Partager sur: