Iray volana hanandratana ny teny malagasy: hisy ny atrikasa literera fanoratana tantara

Volana jona, fotoana ha­na­marihan’ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra mala­gasy Havàtsa-Upem. Ho an’ity taona 2025 ity, hisy ny atrikasa literera mitondra ny lohahevitra : «Ny fanoratana tantara fihaino» na ny «thèatre radiophonique». Isaky ny sabotsy, etsy amin’ny Tahala Rari­hasina Analakely, rihana voalohany no hanatontosana izany.
Hitarika ny atrikasa sy hizara traikefa amin’izany ireo mpanoratra efatra mianadahy izay nianatra sy nandalina
ary manana mari-pahaizana momba ny tantara fihaino rahateo. Ny 7 jona hiarahana amin’i Hajaina, filohan’ny Havàtsa-Upem sady mpampianatra mpikaroka. Ny 14 jona hizaran-dRalala, iray amin’ireo mpilalao tantara manana traikefa matanjaka. Ny 21 sabotsy 21 jona, miaraka amin’i Hanjariliva sady mpilalao no mpanatontosa tantara fihaino tao anatin’ny taona maro. Ny 28 jona, fiarahana amin’i Arikaomisa, tsy zoviana eo amin’ny tontolon’ny tantara fihaino sy ny tantara filalao an-tsehatra ary ny sarimihetsika.
Anisan’ny maro ny mangetaheta ny fiofanana tahaka izao, indrindra fa ny tanora. Efa maro rahateo izy ireny no liana amin’ny tontolon’ny tantara fihaino. Ao ireo te ho ton­ga mpilalao fa tsy vitsy ihany koa ny ho mpanatontosa.
Marihina fa tao anatin’ny folo taona, nanomboka niverina tsikelikely ny fitiavan’ny Malagasy mihaino tantara. Nitombo nanaraka izany rahateo ireo Radio ahenoina tantara indray mihaino na tantara mitohy ankehitriny.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: