Namoa-doza indray ny fiara lehibe mpitatitra, simba, nijanona tamin’ny arabe tetsy Andoharanofotsy, ny sabotsy alina teo. Tsy nametraka mari-pamantarana manambara ny fijanonany. Tovolahy iray nitondra moto scooter maty rehefa nidona taminy.
Maty tsy tra-drano, nidona tamin’ny vodina fiara lehibe iray tetsy amin’ny lalam-pirenena fahafito, PK 10 + 600, Mandrimena Malakialina, fokontany Mahalavolona, kaominina ambanivohitra Andoharanofotsy, ny sabotsy tamin’ny 9 ora sy 15 minitra alina teo, ny tovolahy 21 taona. Nitondra kodiaran-droa, Scooter Yamaha Cygnus 3, avy any Iavoloha hizotra ho any Tanjombato izy, tamin’io fotoana io. Nidona mafy tamin’ny vodin’ny fiara be Mercedes Benz, nijanona teo amin’ny arabe ny moto nentiny. Vokany, nandriaka ny ra ary tsy tana vokatry ny hamafin’ny dona nahazo azy ny ainy. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny tobim-paritra Andoharanofotsy. Potika tanteraka ny kodiaran-droa nentin’ity tovolahy ity, raha tsy nisy fahasimbana kosa ilay fiarabe. Notazomina natao famotorana eny anivon’ny mpitandro filaminana ilay mpamilin’ny fiara izay nihavian’ny loza. Nampidirina am-balan-tsazy kosa ny fiarany.
Fahadisoan’ny roa tonta
Amin’ny ankapobeny, samy nanao hadisoana avokoa na ilay fiarabe na ilay mpitondra moto. Nijanona teo amin’ny arabe ilay kamiao noho ny olana teknika ka tsy afa-nihetsika. Tsy nametraka takelaka telozoro famantarana mialoha sy tsy namelona jiro manondro habe sy jiro manambara fahasahiranana ity farany. Nandeha mafy, tsy nanao aroloha ary tsy nanao akanjo fiarovana kosa ilay mpitondra kodiaran-droa niharam-boina tamin’io fotoana io.
Marihina fa nitrangana fifandonana indroa nisesy koa teny Ivato-Tsarasaotra, ny alin’ny 11 mey lasa teo. Nitarika ny loza tamin’izany ny kamiao iray lehibe, nahitana fahasimbana. Maty nandritra izany ny lehilahy roa, mpamilin’ireo fiara roa samihafa, nidofotra tamin’io fiara lehibe io. Mba hisorohana ny lozam-pifamovoizana tahaka izao, entanina mba hanao aroloha sy hanaraka ny lalàn’ny fifamoivoizana ny mpampiasa lalana rehetra.
Mino