Mpilalao 24 mirahalahy hiatrika fampivondronana

Iray volana mialoha ireo lalao iraisam-pirenena, ny « Masters » sy ny « Tournois estivaux 2025 », hatao any France, namoaka ny anaran’ireo mpilalao voafantina mialoha ho anaty ekipam-pirenena ny federation sport-boules malagasy (FSBM). Masontsivana maro no nifantenana azy ireo.

Ho fiatrehana ny “Mas­ters” sy ny “Tournois estivaux 2025”, taranja tsipy kanetibe hatao any France, namoaka ny lisitr’ireo mpilalao voatsonga mialoha, handrafitra ny ekipam-pirenena ny federation sport-boules malagasy (FSBM), ny alarobia 14 mai lasa teo.
Miisa 24 izy ireo ka ma­sontsivana nifantenana azy ireo ny vokatra sy ny zava-bitany nandritra ny taom-pilalaovana lasa sy ny tamin’ity taona ity, teto an-toerana sy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, sy ny kalitaon’ny lalaony, ny fahaizany ary ny tanjany amin’izao fotoana izao.
Anisan’ireo nahafeno izay fepetra izay ireo ekipa nandrombaka ny amboaran’i Madagasikara 2025, ahitana an’i Zigle sy i Tianakely ary i Luc. Eo koa ny ekipa tompondakan’i Madagasikara 2024, nisy an’i Hery Nirina Edmond, Faly Donald, Jeannie Alexan­der. Ankoatra azy 6 mirahalahy, eo koa i Jean-Jacky, tompondaka maneran-tany 1999 ary tonga teo amin’ny manasa-dalana 2025. Tazana koa i Lova sy i Herilantosoa ary i Nanou, tompondaka maneran-tany 2016, niatrika ny ankatoky ny famaranana tamin’ny PPF 2025. I Tonnerre, tompondaka maneran-tany lefitra 2010, i Hery Mampandry, tompondaka lefitra maneran-tany, sokajy zandriny 2021. I Carlos, tompondaka maneran-tany teo amin’ny «tir de précision 2007».
Yves Sedrick, tompondaka «tir de précision» Test events 2025. I Faralahy Urbain sy i Jean Michel, niatrika ny PPF 2025. Niaina Thierry sy i Jean Christophe, tompondakan’i Madagasikara olon-droa miaraka 2024. Eo koa i Tafita sy i Tojolalaina Herizo, i Mickae, i Rindra Hasiniaina, i Mamy ary i Jean Michael.
Ankoatra izay, misy mpilalao fiandry 4, ahitana an’i Barinirina Claude, Lova Sata­mandimby, Maminirina ary i Mirija Solonantenaina. Eto Antananarivo no hanaovana ny fampivondronana, izay tsy mbola fantatra ny daty hanatontosana izany.

Tompondaka

Partager sur: