Nisokatra ny 12 mey teo ny taom-panjonoana horita any amin’ny Faritra arovana Nosy Hara, kaominina Andranovondronina, distrika Antsiranana II. Mitantana ity Faritra arovana ity ny Madagascar National Parks (MNP). Nitontaly 36,544 taonina ny vokatra azo tamin’io andro voalohany nisokafan’ny fanjonoana io.
Fahombiazana lehibe ho an’ny mpanjono any an-toerana izany satria nitombo ny haben’ny hazandrano. Nisy mpanjono nahazo horita hatrany amin’ny 4 kilao ny iray. Nahavita nanangona 80 kilao ny mpanjono iray tamin’io andro voalohany io. Manaporofo ireo fa tena ilaina ny fanakatonana ny fanjonoana ao anatin’ny fotoana voafetra. Manamarina ihany koa ny fahombiazan’ny fitantanana maharitra ny Nosy Hara ataon’ny MNP. Satria miteraka asa fivelomana ho an’ny mponina any ifotony ary mitondra fampandrosoana ho an’ny faritra sy ho an’ny firenena manontolo. Mbola hitohy ny fanaraha-maso hiantohana ny seha-pihariana jono maharitra, mifanaraka amin’ny fitsipika napetraka, ho fiarovana ny harena voajanahary an-tanety sy an-dranomasina ao amin’ny Nosy Hara.
Njaka A.