Nosy malagasy, tetibola, Base Toliara: nampanantsoin’ny depiote mpanohitra ireo minisitra telo

Nandefa taratasy eo anivon’ny birao maharitry ny Antenimierampirenena, ny herinandro teo, ny depiote avy amin’ny fanoherana. Miompana amin’ny fampiantsoana ireo minisitra miisa telo izany.

Anisany nampanantsoin’ny depiote Firai­sankina ny minisitry ny Toe­karena sy ny fitantanam-bola hanontaniana ny momba ny olana ara-bola sy ny tsy fisian’ny fanitsiana ny tetibola amin’izao fivorian’ny An­tenimiera roa tonta izao. Ny resaka momba ny fitakiana ireo Nosy malagasy no anontaniana ny minisitry ny Raharaham-bahiny ary ny tetikasa Base Toliara itakin’izy ireo ny mangarahara no ifampidinihina amin’ny minisitry ny Tontolo iainana. Tokony hotanterahina ny alarobia izao izany fifanatrehana takin’ny depiote mpanohitra izany. Nambaran’ny depiote Firaisankina,  Rabenirina Jean Jacques, fa efa napetraka eny amin’ny birao maharitra ny fangatahana fampiantsoana minisitra. “Anjaran’izy ireo ny miantso ireo minisitra nefa ohatra ny miaro ny mpanatanteraka ny birao maharitra ary manahy fitsikerana… Efa nalefa any ka tsy nanao ny asany izany ireo birao maharitra raha tsy tanteraka izany”, hoy izy. Nanteriny fa tsy nanao ny asany izany ny eo anivon’ny birao maharitra.

Tsy anaty lahadinika

Etsy andaniny, nambaran’ny filohan’ny Antenimieram­pirenena, Tokely Justin, kosa anefa fa tsy ao anatin’ny lahadinika efa nolaniana teo aloha izany fangatahan’ny mpanohitra hihaona amin’ny minisitra izany. “Mbola hiditra amin’ny lahadinika faharoa izao ny eny Tsimbazaza ka ho hita eo izany. Tsy mbola nisy fampiantsoana minisitra aloha hatreto…”, hoy izy.

Tsiahivina fa hifanatrika ny depiote sy ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta ny 12 sy ny 13 jona izao.

Synèse R.

Partager sur: