Voadika amin’ny teny malagasy: boky masina Korany 5 000 nozaraina

Natomboka ny faran’ny herinandro teo, teny Anka­sina, ny fizarana ny boky masina Korany nadika amin’ny teny malagasy. Roa taona ny faharetan’ny asa fandikana, niarahan’ny tanora sy ny fikambanan’ny mpanabe silamo eto Madagasikara (APMM) ary ny foundation islamique Ansaar de l’Angle­ter­ra sy ny Organisation international pour la science et de la culture du royaume de Suède. « Tontosa ny taona 2020 ny fandikana fa izao vao vita ny fanontana faobe ny boky ka 5 000 no notsinjaraina ho an’ny andiany voalohany. Hisy 30 000 hafa ho avy tsy ho ela noho ny fanohanan’ny mpiray ombon’antoka », hoy ny filohan’ny APMM, Zackaria Mohamed.
Natao ny fandikana ahafahan’ny tsirairay, na mpino silamo na tsia mahay ny teny malagasy, mahalala ny finoana islamo. Misy boky 10 hafa efa voadika amin’ny teny malagasy ihany koa mitondra fampianarana momba ny lohahevitra maro. Avy amin’ny fangatahan’ny mpino maro no nahatonga ny ezaka handikana ny boky Korany amin’ny teny malagasy. Boky be voninahitra ny Korany, mirakitra ny zavatra rehetra taloha sy ny hoavy ary milaza ny fiainan’ny mpino silamo eto ambonin’ny tany sy any ankoatra. Manampy ny mpino hanatsara ny fiainany ny mamaky, mianatra ny dikany sy hampihatra azy amin’ny fiainana andavanandro, araka ny voalazan’ny filohan’ny fikambanana silamo eto Madagasikara.

Vonjy

Partager sur: