Fahombiazana. Maherin’ ny 20 000 ireo mpitsidika tonga teny amin’ny Kianja Barea Mahamasina nandritra ny Andron’ny seha-pamokarana, ny faran’ny herinandro raha toa ka 6 000 ny vinavina. «Tratra ny tanjona, namaly ny antso avokoa ireo orinasa mpamokatra eto an-toerana miisa 12 nisitraka ny fepetra fiarovana», hoy ny tale jeneralin’ny Autorité nationale chargée des mesures correctives commerciales (ANMCC), Barthélemy. Namaly ny antso ihany koa ny mpividy tamin’ny fiarovana sahady ny vokatra eto an-toerana amin’ny alalan’ny fanjifana izany.
Ankoatra izay, nahaliana ny rehetra ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny fiarovana ny seha-pamokarana eto an-toerana. Nahafahan’ny mpanjifa nitafa mivantana tamin’ireo orinasa mpamokatra momba ny dingan’ny famokarana sy ny teknika ampiasaina izany. «Zava-dehibe ny fanajana ny toromarika sy ny fepetra hitahirizam-bokatra hisorohana ny fahasimbany», hoy hatrany ny fanazavana voaray.
Tombony
Fotoana nahafahana nampahafantatra sy nanentanana ny mpanjifa hividy ny vokatra malagasy ny hetsika, indrindra amin’izao vanim-potoana mampamaivaivay ny ady ara-barotra maneran-tany izao. Tombony ho antsika ny fahafaha-mamokatra eto an-toerana hialana amin’ny fiankinandoha amin’ny fanafarana. Takina amin’ireo orinasa nisitraka ireo fepetra fiarovana kosa ny fanatsarana ny kalitao sy ny fampitomboana ny vokatra hamaliana ny filana eto an-toerana.
Ankilany, mitaky ny hanaovana ny hetsika isan-taona ireo orinasa saingy mbola dinihina amin’ireo tomponandraikitra samihafa ny hanatanterahana izany.
Henintsoa