Avaratra Antanimora: ankizivavy 6 taona naolana tany anaty ala

Nisy nibata tao am-pandriana, tao an-tranony, tetsy Avaratra Antanimora ny ankizivavy vao enin-taona mon­ja, afakomaly alina. Hita tany anaty ala teny amin’ny manodidina izy io, omaly ma­raina. Fantatra taorian’ny fizahana nataon’ny mpitsabo fa voaolana izy.
Tsiahivina, nandeha nitsena ny reniny izay mbola taraiky niasa alina tany ivelan’ny trano ny olon-dehibe roa tao an-trano, afakomaly tamin’ny 9 ora alina. Nijanona niandry trano sy niaraka tamin’ilay ankizy kosa ny olon-dehibe iray hafa. Resitory ity farany nandritra izany. Nisy niditra antsokosoko tao an-trano ary nibata azy. Gaga sy taitra ny reniny sy ireo olona nitsena azy rehefa tafaverina fa tsy hita tao an-trano ilay zaza. Natao avy hatrany ny fikarohana.
Vokany, omaly maraina, hita ity ankizivavy ity. Hita tany anaty ala iray teny amin’
ny manodidina izy io. Tsy ton­ga saina, nisy ratra ny masony ary nahitana tasy ra ny pataloa izay nanaovany, raha ny fitantaran’ny fianakaviana na­non­ta­niana. Nentina teny anivon’ny hopitaly Joseph Raseta Befela­tanana (CHU JRB) ny zaza tao­rian’izay. Fantatra nandritra izany, fa nisy nanolana izy, araka ny valin’ny fizahana na­taon’ny mpitsabo.
Efa nametraka fitoriana eny anivon’ny kaomisaria foibe Tsa­­ralalàna ny fianakaviana, raha ny fanazavana voaray hatrany. Hatramin’ny omaly, tsy mbola fantatra ny olona nitondra sy nibata io ankizivavy io.

Mino

Partager sur: