Faritra Fitovinany: nojerena ifotony ny fiahiana sosialy

Tontosa ny fidinana ifotony nijerena ireo sehatra fiahiana ara-tsosialy tanterahin’ny ONG Tanintsika tao amin’ny kaominina Ambila. Nanatanteraka izany ireo tomponandraiki-panjakana ao anatin’ny faritra Fitovinany, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra avy amin’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), notarihin’ny solontenany voalohany eto Madagasikara, i Tania Goossens. Tetikasa miisa roa no notsidihina tamin’izany: ny saha sekoly momba ny fambolena manaraka teknika sy ny fampiasana zezika biolojika ataon’ireo mpisitraka. Faharoa ny fizarana tohana ara-tsakafo ho an’ireo marefo ara-pivelomana, ireo reny bevoka sy mampinono miisa 60, narahina fanaraha-maso ny lanjan’ny zaza.
Ny tao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Manakara indray, notsidihina ny toerana hametrahana ny ivontoerana fiasan’ny Pam sy ny BNGRC ho fanangonana mialoha ireo tohana ara-tsakafo sy karazana entana hanampiana ireo traboina raha sanatria ka misy ny loza.

Vonjy

Partager sur: