Miankindoha amin’ny fampiasana hazo sy fitrandrahana mihoapampana ny tontolo iainana ny ankamaroan’ny tokantrano malagasy. Fototra ivelomany sy hanitarany ny seha-pihariany izany.
Antony mahatonga ny rohivoary eto amintsika ho potika sy mampakatra hatrany amin’ny 30% ny taham-pahafatesana vokatry ny fahalotoan’ny rivotra izany. «Tokony handray an-tanana ny hoavy ny tsirairay. Miteraka asa maitso sy mampidi-bola ary manatsara ny fari-piainan’ny mponina ny fandraisana andraikitra», hoy ny tale jeneralin’ny Fampandrosoana lovainjafy, avy ao amin’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy (MEDD), Rabenandrianina Rivosoa. Mila miroso sy mametraka fanamby isika mba ho lovain-jafy ny tontolo iainana sy ireo harena voajanahary ananantsika. Antony hanaovana ny hetsika «Festival des initiatives vertes» ny 22 ka hatramin’ny 24 mey, eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (AFT). «Hampahafantarina ny ankizy sy ny tanora fa saro-pady ny fikajiana ny natiora» hoy ny tomponandraikitry ny sampana kolontsaina ao amin’ny AFT, Andriamihanta Andriantsoa. Omen-danja mandritra ny telo andron’ny hetsika ireo tetikasa maitso, toy ny fanenana ny fandaniana rano, ny fanodinana ireo akora samihafa ho azo ampiasaina indray, ny fampiasana ny angovo azo havaozaina sns. Mpisehatra eo amin’ny tontolo iainana manodidina ny 20 eo no hifanakalo hevitra sy hifampizara ny fahaiza-manaony ary hanentana sy hanabe ny rehetra hikajy ny natiora.
Tetikasa
Toy ny tamin’ny taon-dasa, misokatra ho an’ireo fikambanana maro samihafa ny fifaninanana «Mon projet écolo», hanoloran’izy ireo ny tetikasa hikajina ny tontolo iainana mirindra sy lovain-jafy. Ankoatra izay, hizara ireo fomba fanao andavanandro hiarovana izany ihany koa ireo mpisehatra. Mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny hetsika ny Yas Madagascar. «Mirona tanteraka amin’ny fikajiana ny tontolo iainana lovainjafy izahay, amin’alalan’ireo tolotra manome lanja ny harena voajanahary sy ny fampiasana ny angovo azo havaozina», hoy ny tomponandraikitra.
Henintsoa