Fiaraha-miasa Madagasikara-Chine: havaozina ny toeram-pitsaboana ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo

Voakasiky ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara sy i Chine ho an’ny fampianarana ambony ny fikarakarana ny fahasalaman’ny mpiasa sy ny mpianatra eny amin’ny oniversite. Hasiam-panavaozana ny ivontoerana hisahana izany, eny Ankatso.

Tafiditra amin’ny fanohizana ny fifanakalozana eo amin’ny Repoblika populaire Chine sy i Ma­dagasikara ny fitsidihana ny toeram-pitsaboana natokana ho an’ny mpianatra sy ny mpandraharaha ary ny mpampianatra eny amin’ny Oni­versiten’Antananarivo. Fitsi­dihana teknika hanombanana ny fanatsarana ny fotodrafitrasa, izay natao ny faran’ny herinandro teo. Efa nialoavana fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny roa tonta ny tetikasa fanavaozana.
Orinasa sinoa miasa eto amintsika no voasafidy hanatanteraka ny asa taorian’ny fiantsoana tolobidy nataon’ny masoivohon’i Chine eto Ma­dagasikara, araka ny fanazavan’ny tomponandraikitry ny raharaha politika eo anivon’ny masoivoho, Shen Hao. Nidina ifotony nijery ny toeram-pitsaboana ny olona telo avy amin’ ilay orinasa, niaraka amin’ny filoha lefitry ny fikarohana sy ny haivao, Rabetokotany Nantenaina.
Notombanana araka ny zava-misy hita teny ny fanavaozana tena ilaina ka nitarika ny fitsidihana ny tale misahana ny mpiasa sady tomponandraikitry ny toeram-pitsaboana, Dr Ravalonandrasana Rivonirina.
Nisongadina tao amin’ny toerana fikarakarana ny nify sy ny ativava fa mbola mandeha ny milina roa fa efa tranainy. Nanambara ireo solontena sinoa fa hanolotra fitaovana maoderina ho an’ny oniversite hanoloana ireo ampiasana amin’izao fotoana izao.
Maika ny fanavaozana ny fotodrafitrasa indrindra ny fanoloana ny tafon’ny trano sy ny fitaovana ao anatin’ny toeram-pidiovana ary ny vavahady.
Misahana ny fizaham-pahasalamana ho an’ny telo tonta ny toeram-pitsaboana ary mpianatra 40 000 no karakaraina isan-taona. Ankoatra ny fandraisana marary, misahana ny asam-pisorohana sy ny fanaraha-maso ny fahasalamana koa ny mpiandraikitra ny foibem-pitsaboana.

Vonjy

Partager sur: