Fiarovana tanàna sy fialamboly: maro ny mirona amin’ny fiompiana alika tsara karazana

Mirona amin’ny fiom­piana alika tsara karazana (chien de race) ny ankamaroan’ny Ma­la­gasy amin’ izao fotoana. Mia­vaka amin’ny ali­ka hafa izy ireny, indrindra eo amin’ny fikarakarana.

“Miha mitombo hatrany ny olona tia mi­ompy alika tsara karazana eto Madagasikara, raha ny zava-misy”, hoy Andry Petoulet Raveloson, mpiandraikitra ny fifandraisana ao amin’ny ACYM, nandritra ny hetsika teny amin’ny Zone Zital Ankorondrano, ny faran’ny herinandro lasa teo. Nambarany fa tsy mitovy amin’ny alika mahazatra izy ireny fa mila fikarakarana manokana nefa tsy mahasakana ny olona hiompy azy izany. “Manana ny maha izy azy ireny karazan’alika ireny satria fantatry ny tompony ny toetrany sy ny razambeny”, hoy hatrany izy. Manodidina ny 30 eo ho eo ny karazan’alika tsara karazana efa misy eto Madagasikara, hatramin’izao fotoana izao. Efa mahatratra aman-jatony kosa izany ma­neran-tany, raha ny tatitra voaray hatrany. “Misy antony manokana ny hiompiana ny chien de race”, hoy ny filohan’ny fikambanana ACYM, Herilala Mana Jean. Misy ireo natao hihaza, ny ho naman’ny olombelona, “chiens d’aveugle”… Misy kosa ireo misafidy ny hampanao “promenade” fotsiny ny alikany, eo koa ny alika natokana ho mpiandry tanàna fotsiny…
Alika be mpisafidy sy be mpiompy indrindra ny karazan’alika Berger allemand. Manaraka azy ny Rottweiller. Tia alika ngeza sy lehibe ny Malagasy ka antony mahatonga izany. Ankoatra izay, tafiditra ao anatin’ny alika mpiandry tanàna ihany koa izy ireny ka mahatonga ny maro hisafidy azy ireny, raha ny fanazavana. Ankoatra izay, alika afaka mamaly ny toetr’andro misy eto no tena be mpiompy. Maro ny antony mandrisika ny olona iray hiompy alika tsara karazana. Anisany, ny fitiavana ilay karazan’alika sy ny fitodihana any amin’ny fiambesana tanàna. Etsy ankilany, tafiditra ao anatin’ny fiompiana mety amin’ny toetr’andro sy toe-tany misy eto Mada­ga­sikara ihany koa ireny karazan’alika ireny. Na izany aza, misy ireo karazany izay tsy mety loatra amin’ny toe-tany eto amin’ny Nosy. Toy ny Lévrier, izay alika natao ho amin’ny fifaninanana hazakazaka. Eo ihany koa ny alika natao hompiana any amin’ny tany mangatsiaka, toy ny Husky sy ny Chien Bernard. Tsy dia manaitra ny olona loatra ny fiompiana azy ireny.

Maharisika ny maro ny manofana alika ho haingon-trano
“Efa tia miompy sy mitaiza alika chien de race efa hatramin’ny mbola kely aho”, hoy Sameva Christiana. Anisan’ny nosafidiana entina ety amin’ny hetsika ny alika karazana Bouledogue francais. “Efa nikoriana tao anatin’ny ra mihitsy izany fitiavana azy izany ka antony nandrisika ahy hiompy “, hoy hatrany izy. Nambarany fa fitiavana aloha ny voalohany indrindra alohan’ny hitaizana ny alika iray. Sady fialamboly no azo atao fitadiavam-bola ihany koa izy ireny. Miankina amin’ny filan’ny tompony ihany ny faharetan’ny fotoana sy ny vola lany mandritra izany. Ho azy manokana, vary sy legioma ary hena ny sakafon’ny alika. Ankoatra izay, ilana fikarakarana manokana izy ireny, toy ny fanaovana vaksiny sy ny fampandroana azy.

Tafakatra 1 tapitrisa Ariary ny fikarakarana
Maro amin’ny Malagasy ny te hanana alika tsara karazana fa tsy maharaka ny vola eo am-pelantanany. Amin’ny an­kapobeny, tokony ho vonona handany roa hetsy Ariary isam-bolana fara-fahakeliny isaky ny alika iray ny olona raha te hiompy izany, raha ny fanazavana nataon’ny mpiompy iray nanontaniana. Ma­hatratra 5 hetsy hatramin’ny 1 tapitrisa Ariary mahery eo kosa izany, raha mitombo ny taonan’ny alika iray. Tena mahalafo ny vidin’alika ny fandaniam-bola amin’ny fikarakarana azy ireny, ny fitsaboana sy ny fitondrana azy any amin’ny mpitsabo biby ary ny halafon’ny sakafony.

 

Nanatontosa: Mino

Partager sur: